Argentine vs Angleterre : Nosakanan’i Messi ny lalan’i Kane sy ny Anglisy

Tafita hiatrika ny famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026 », ny Albiceleste Argentine. Nahazo ny tapakila hiatrehana izany izy ireo rehefa nanilika ny Three Lions Anglisy nandritra ny lalao manasa-dalana faharoa.

Notaperin’i Messi sy ny Albiceleste Argentine teo amin’ny manasa-dalana ny lalan’ny Anglisy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Araka izany, hiady ny famaranana fanindroany indray ny Argentin, taorian’ny taona 2022. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany, araka izany ry zareo. Ny alarobia lasa teo, tao amin’ny Kianja Atlanta, lavon’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Three Lions. Nifandanja ny lalao nandritra ny fizaram-potoana voalohany, tsy nisy ny baolina maty. Na izany, nanantombo tamin’ny fanafihana ny Anglisy ary tsy navelan-dry Kane sy ry Bellingham hanafika mihitsy ry Messi. Zara raha tonga tao anaty faritra tsy azo ivalozana narovan’ny Anglisy ny baolina. Tsara ny fiarovantena notarihin-dry Stones sy Spence ka sahirana ny Albiceleste. 0 no ho 0 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, mbola nanao totoafo hatrany ny fanafihan’ ny Anglisy. Tolotra lava niainga tao amin’i James no votsotra teo amin’ny tongotr’i Taglia Fico ka nohararaotin’i Rogers, izay nandefa izany tamin’i Gordon ary nampiditra ny baolina teo amin’ny minitra faha-55. Taorian’io, tsy nanafika firy intsony ny Anglisy fa saika nionona tamin’ny fiarovantena ary tsy nampiasa afa-tsy lohalaharana tokana sisa. Nanindry ny Argentin nanomboka teo amin’ny minitra faha-75. Nosahalain’izy ireo mihitsy ny baolina taorian’ny “corner”, ka niantefa teny an-tongotr’i Fernandez, minitra faha-85. Tsy nionona tamin’izay, nampiseho ny maha goavana azy i Messi, izay nandefa ny baolina teo amin’ny lohan’i Martinez (90 + 2 mn), izay nahalavo ny Anglisy. Hidona amin’ny La Furia Roja izany ny Albiceleste, ny alahay ho avy izao, ao amin’ny Kianja Metlife Stadium, ao New-York.

Tompondaka

Partager sur: