Ligue des Champions 2026 : Nahemotra ny lalaon’ ny RCSA sy ny UASC

Nambara tao amin’ny pejin’ny Malagasy Rugby, afakomaly, fa noho ny fahoriana mianjady amin’ny klioban’ny UASC Cheminots Rugby na ny Besetroka, nisy ny fanovana ny fandaharam-potoan’ny lalao izay hotontosaina ny alahady ho avy izao. Fantatra fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny lalao sakana hiakarana amin’ny diviziona voalohany, “XXL Top 12”, izay hifanandrinan’ny Cheminots sy ny RCSA Anosibe. Nosoloina lalao an’ny seksionina Analamanga izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tsy maintsy hanao izay fara-heriny hijanonana anatin’ity fifaninanam-pirenena, “XXL Top 12” ity ny klioban’ny Besetroka. Etsy ankilany, manomana mangina ary hiezaka ny hanome ny tsara indrindra avy aminy, hiakatra ao amin’ity fifanintsanana diviziona voalohany ity, ny mpilalaon’Anosibe.
Ankoatra izay, hafana koa ny fihaonana roa hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalan’ny “Top 12”. Hifampitana amin’izany ny TFA Anatihazo sy ny Uscar ary ny FTM Manjakaray sy ny USA Ankadifotsy.

Fitia Randria

Partager sur: