SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, any Manakara, ny 29 jolay hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja baolina kitra eny amin’ny torapasika « Beach Soccer Mazavaloha ». Fifanina­nana handraisan’ireo ligim-paritra anjara. Andra­sana,araka izany, ny isan’ireo faritra izay ho avy amin’ity taom-pilalaovana ity.

Amin’ny herinandro ho avy io, hisy ny fampivondronana ataon’ny klioban’ny CFFA Andoha­ranofotsy, izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Ligue des champions Caf 2026 ». Nambaran’ny mpanazatran’izy ireo fa amin’io fotoana io vao handeha ny resaka fanatevenana ny ekipa sy ny resaka kianja handraisana ny lalao.

Lasa nifindra lasy ao amin’ny klioban’ny Gloria Bistrita Roumania ilay Malagasy mpilaravinahitra amin’ny taranja baolina kitra, Randrianantenaina Arnaud. Raha ny fikarohana natao, mifanintsana amin’ny diviziona faharoa, any an-toerana ity klioba vaovao an’i Arnaud ity. Tsiahivina fa efa nifarana ny fifanarahany tamin’ny ekipa egypsianina, EL Gouna.

Partager sur: