Taorian’ny fifaninanana “Coupe international d’Antananarivo”, ny ” Challenge de Betsileo” indray no fandaharam-potoana manaraka ho an’ny Federasionina karate-do malagasy. Hotanterahina any Fianarantsoa, ny 20 hatramin’ny 23 aogositra izao, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faha-5. Fifaninanana izay efa fanao isan-taona sy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny FKM ary anisan’ny manan-danja satria hahafahan’ny atleta mahazo isa sy hijerena izay mendrika ihany koa. Miha mivoatra hatrany ny fifaninanana amin’ny maha andiany faha-5 azy. Hahazo ny anjarany sy afaka mifaninana avokoa, manomboka any amin’ny katitakely hatrany amin’ny sokajy Vétérans, eo amin’ny kata sy kumite, an’olon-tokana sy ekipa. Manomboka amin’ny sokajy latsaky ny 8 taona, 10 taona, 12 taona, 14 taona, 16 taona, 18 taona, Seniors ary Vétérans, lahy sy vavy, no handray anjara. Tsiahivina fa any Fianarantsoa ihany koa no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ity taona ity, ny volana oktobra, no sady hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina karate-do malagasy.
Mi.Raz




