Misaona indray ny zavakanto: Nodimandry i Ramy Franck

Rahona mainty indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo i Ramy Franck, araka ny nambaran’ny zanany. 84 taona Rakotomanana François de Sales izao nandao ny tontolon’ny velona izao. Ny kantony kosa mitoetra hatrany, satria nametraka lova ho an’ny mozika sy ny zavakanto i Ramy Franck.

Tao anatin’ny vanim-potoan’ny fanjanahantany no roboka tanatin’ny mozika i Ramy Franck, araka ny fitantarany tamin’izany. Nanaraka ny fironan’ny mozika tamin’izany, kanefa nametraka ny maha Malagasy azy ihany koa. Nisongadina amin’ny maha mpamoron-kira izy tao amin’ny tarika Melody Jazz ny taona 1964. Anisan’ ireo hira nampalaza ny tarika tamin’izany ny «Vavaka ho anao ry Neny», «Bibidia», «Mitandrema ry Tanora», «Mama», « Zany d Zany ». Namoaka kapila mihitsy izy ireo tamin’izany. Somary pop, rock, blues, sns, no nafangaron’ny tarika, nambaboany ny mpankafy. « Claude François Gasy », hoy ny fiantsoan’ny sasany azy, noho izy sady mpandihy no mihira, sady nankafy an’ity mpanakanto frantsay ity rahateo.  Nisy ny fiovaovana tao anatin’ny tarika noho ny asa aman’andraikitr’ireo mpikambana, ka nitsahatra ny taona 1978 ny Melody Jazz. Taty aoriana, nanapa-kevitra ny hiverina anatin’ny tontolo i Ramy Franck, ka nitondra ny anarany amin’izay.
Maro ireo mpanakanto niara-niasa tamin’i Ramy Franck. Nanomboka ny mozika tao aminy ry Olombelo Ricky, izay fianakaviana. Zanany kosa ireo mandrafitra ny Zanaray Percussions.
Hoentina hatao veloma farany ao amin’ny Ekar Notre Dame de Fatima Ambohi­mirary ny nofo mangatsiakan’i Ramy Franck, ny alarobia 22 jolay izao. Mpino nahavita bé tao amin’ny fiangonana, niandraikitra hatrany ny fanabeazana ara-javakanto nandritra ny taona maro tao izy. Halevina eny Ambohitsararay Ankadinandriana, aorian’izay.

Zo ny Aina

Partager sur: