Kly Joëlle Horace: Namoaka ny boky mirakitra fihetseham-po « Parts d’êtres »

Hafa amin’ny boky rehetra ! Izay no azo ilazana ity boky mitondra ny lohateny hoe « Parts d’êtres » nosoratan’ny dokotera, ny Kly Joëlle Horace. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ity boky ity. Tononkalo notsongain’i Kemba Ranavela tao anatin’ireo asa soratra marobe novokarin’ny mpanoratra no mandrafitra ny boky amin’ny ankapobeny. Ny dokotera, ny Lietnà Ianja Rakotovazaha kosa no nanao ny sary nentin-dravaka ny tononkalo. Araka ny fanazavan’ny mpanoratra, tononkalo efa voasarotra tany amin’ny 30 taona lasa avokoa ny ankamaroan’izy ireo. « Vao kely aho dia efa nanoratra ary nampirisihin’ny raibeko hanoratra aho satria efa hitany soritra fa misy talenta sy aingam-panahy ato anatiko », hoy ny Ky Joëlle Horace, naneho ny lalana nodiaviny teo amin’ny sehatry ny maha mpanoratra tononkalo azy. Nambarany fa nandalo fotsiny izany teo aloha fa taty aoriana fa tena tontosa soa aman-tsara ny famoahana azy ho boky toy izao. Marihina fa mpitsabo ao amin’ny Hopitaly miaramila (CenHosoa) ny Kly Joëlle Horace ka ny fahitany sy ny fitsaboany ireo marary raisiny ao amin’ny hopitaly koa no anisany miteraka fihetseham-po azy. « Misy fihetseham-po ho ahy ny fandraisako ireo marary tsaboiko ao amin’ny hopitaly. Izany koa no miteraka izao asa soratra izao », hoy izy. Ankoatra izany, mirakitra ny fiainana iainan’ny olona amin’ny ankapobeny koa ny boky « Parts d’êtres ». Nohamafisiny fa tsy misy olana amin’ny maha miaramila azy ny fihetseham-po ateraky ny famoronana toy izao. Nambaran’ny mpanoratra fa olombelona manana fihetseham-po ihany na eo aza ny asany amin’ny maha miaramila sady mpitsabo azy.

Jean Claude

Partager sur: