Sehon’ny tarika ‘Zay : «Hihaona indray », hisy tapakila fanampiny ho an’ny mpankafy

Namoronana toerana fanampiny ireo tena mpankafy ny tarika ‘Zay. Vokatry ny fangatahan’izy ireo, taorian’ny « Génération 2000 » teo izany.

Herinandro teo izay no efa nanambarana fa lany tanteraka ny tapakila. Mahakasika ilay fampisehoana lehibe hanamarihin’ny tarika ‘Zay ny faha-30 taonany, izay hatao ny alahady 26 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Maro, araka izany, ireo mpankafy no tsy nahatratra intsony na dia niangavy tamin’ny mpikarakara aza. Taorian’izay, efa nampidirin’ny SR Event ho anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fampisehoana « Génération 2000 » teo indray ny tarika ‘Zay. Mbola nihamafy ny fangatahan’ireo mpankafy, ka nitady hevitra hafa ny mpikarakara.

Hisy, araka izany, ny tapakila « Hihaona indray ». Toe­rana hamboarina manokana io, eo anelanelan’ny « fan zone » sy ny sehatra. « Hivo­aka manomboka anio ity tapakila famonjena ireo tara famandrihana ity », hoy i Sylvano Ratsimandresy, nandritra ny fampahafantarana ny seho tamin’ny mpanao gazety, omaly.
30 taona nivoizana hira mampihetsi-po. 30 taona nahitana ny ambony sy ny ambany, ny ratsy sy ny tsara ho an’ny tarika ‘Zay. « Ny fahabangana mitoetra eo foana, satria tsy misy hahasolo an’i Nary na teo amin’ny famoronana na ny fihirana. Ny firaisampon’ny mpankafy kosa no nampitoetra ny tarika », hoy i Malala. Efa hiditra 5 taona tokoa mantsy izay no nanohy tsy nisy an’i Nary ny tarika ‘Zay. Efa nisy mpikambana hafa, toa an’i Nantenaina sy i Mikakely koa efa lasana. Manohy ny lalana kosa i Malala, Haingo, Mamy, nampian’i Tovo, Miora, Harty, sns.
« Sahirana izahay misafidy ireo hira halahatra amin’io, satria maro no nanamarika izay 30 taona izay. Tsy maintsy hatao ireo tena be mpankafy », hoy i Malala, nampanantena. Hizara ampaham-potoana 3 ny seho ary mety hanam-bahiny ny tarika…

Zo ny Aina

Partager sur: