CGM/GZ – Seho ankalamanjana : Andiany faha-15 ny « Jazz@Tohatohabato »

Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Fantatra, omaly, fa hiditra amin’ny andiany faha-15 ny « Jazz@­ Tohatohabato » na ilay hetsika lehibe momba ny jazz, karakarain’ny Cercle Germano-Mala­gasy/GZ (CGM/GZ), fanao isan-taona eto an-dRenivo­hitra sy ny manodidina.
Ny alarobia 5 aogositra, « Jazz kids ». Hiaka-tsehatra ao amin’ny Tranompokono­lona Analakely ireo ankizy kely manan-talenta amin’ny fitendrena sy fihirana ny jazz. Taninketsa anisan’ny hamaritra sahady ny hoavin’ny jazz eto Madagasika sy ny ho fivelaran’izany maneran-tany. Ny zoma 7 aogositra, eo amin’ny Parvis Analakely sy ao amin’ ny Tranompokonolona Isotry. Hanatanterahina ny « Jazz quartier » handraisan’ireo efa mpisehatra amin’ny jazz sy ireo talenta vao.
Ho fihaonamben’ny mpitia sy mpilalao jazz kosa ny tohatohabaton’Antaninarenin, ny sabotsy 8 aogositra, ma­nomboka amin’ny 6 ora hariva. « Jazz street », hihaonana sy hifanakalozan’ireo andrarezina sy ireo vonona haneho ny talentany sy hifanakalo traikefa. Tahaka ny mahazatra. « Jazz grande scène », izay hotazanina avy eo amin’ ny tohatohabaton’­Antanina­renina no hotanterahina ny alahady 9 aogositra.
Marihina fa iray amin’ireo fampisehoana ankalamanjana maro mpanatrika ny « Jazz@­ Tohatohabato ». Tranga ma­neho fa liana sy tia jazz ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: