Nomarihina omaly, teny Antaninarenina-Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina.
Nosafidian’ny firaisamonim-pirenena FGE coalition SDSR, hiresahina indray momba ny tolona ho an’ny zon’ny vehivavy, ny asa efa vita sy ny zavatra mbola takina ny fanamarihana. Nomena lanja manokana ny adisisika amin’ny tokony hankatoavan’ny fanjakana ny fifanarahana tany Maputo momba ny zon’ny vehivavy, napetraka 23 taona lasa izay, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny FGE coalition SDSR, Andrianina Ratsimba.
Nanasana vehivavy manana andraikitra eto amin’ny firenena koa ny fihaonana, omaly, hizarana ny andraikitry ny vehivavy eny amin’ny fiarahamonina sy ny fahazoana ny lohahevitra hoe «féminisme». “Matetika ambara fa zavatra nafarana avy any ivelany ary kolontsaina vahiny nentina teto Madagasikara ny féminisme. Nefa ny hevitra fonosina dia ny hoe misy zo tsy mbola azo, hotakina mba hitoviana amin’ny maha samy olombelona (ny lahy sy ny vavy)”, hoy ny mpitantana ny fikambanana Fleurs éveillées, i Viviane Raharinirina. Voafaritra ao ny filan’ny vehivavy sy zo amin’ny maha olona azy. Ohatra, hita taratra ny tsy fisitrahana zo amin’ny fahasalamana (fisafidianana ny fotoana hiterahana sy ny isan’ny zaza mety aminy), ny karama… Tsy mitovy ny zava-misy fa arakaraka ny faritra.
Fotoan’ny Fanavaozana izao ka manao adisisika amin’ ny fitondrana ankehitriny ny mba hirosoana amin’ny fankatoavana izany ny firaisamonim-pirenena, satria mandrafitra ny zon’ny vehivavy rehetra ary manaja ny kolontsain’ny vehivavy afrikanina izany. Hiteraka tombontsoa maro ara-tsosialy sy toekarena ny fankatoavana sy fampiharana io fifanarahana momba ny zon’ny vehivavy io.
Efa ela no nitaky ny fikambanana sy ny mpisehatra ary mitohy ny fanazavana ho an’ ny daholobe ny maha zava-dehibe ny fankatoavana sy fampiharana.
Vonjy




