Viviane Rahariniraina: Namoaka boky hakana lesona sy fanazaran-tena

Fanitelony amin’ny boky navoakan’i Viviane Rahariniraina ny « Je ne poursuis pas, je me choisis ». Misy fitarihana, fanazaran-tena ary fampironana amin’ny maha boky fampandrosoana ny tena azy izany.

Lesona zato sy fanazaran-tena zato. Izay no noraketin’i Viviane Rahari­naina anatin’ilay bokiny, “Je ne poursuis pas, je me choisis”. Hampahafantarina ho an’ny besinimaro, ny zoma 7 aogositra ho avy izao, ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny IBC Akoor Digue. Fotoana hampahafantarana voalohany ny vokatra io, arahina fihaonana mivantana amin’ny mpanoratra. Boky fampandrosoana ny tena, izay tsy mbola mahazatra ny Malagasy na dia efa filana any ivelany aza izany. Natao hanampiana ny mpamaky sy izay liana hahatoky sy hiverina amin’ny tenany, hahafantatra bebe kokoa ny misy azy ary hianatra hisafidy izay tena mahasoa azy izany.
« Ny tanjona nanoratako ity boky ity dia ny hanomezana fitaovana azo ampiharina isan’andro fa tsy hevitra fotsiny. Tiako ny hiainan’ny mpamaky fiovana tsikelikely, lesona iray sy fanazaran-tena iray isan’andro, mba hahafahany mamerina mifandray amin’ny tenany sy manorina fiainana mifanaraka amin’ny soatoaviny. Tsy boky hovakiana fotsiny izy, fa boky hiainana sy hampiharina isan’andro. Man­dritra ny 100 andro, ny mpamaky dia arahina amin’ny lesona iray sy fanazaran-tena iray isan’andro, ka lasa mpandray anjara amin’ny fiovany manokana. Tsy mijanona amin’ny famakiana fotsiny izy fa mampihatra sy mandinika ny diany », hoy ny mpanoratra.
Avy any Vangaindrano, Faritra Atsimo-Atsinanana i Viviane Rahariniaina. Anisan’ ireo milaravinahitra any ivelany, izay vao avy nampahafantatra ny bokiny iray tamin’ny herinandro lasa teo. Mpiaro ny zon’olombelona sy mpandraharaha ara-tsosialy izy, ary miasa ho fampandrosoana ny olona sy ny fiarahamonina. Amin’ny alalan’ny asa sorany, izay feno fahatsapana sy fanentanana, dia mampisongadina ny zava-misy iainan’ny olombelona, ny herin’ny fa­nantenana ary ny haren’ny kolontsaina malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: