Hatambatra ny fotodrafitrasa : hiara-hiasa ny INTH sy LTA

Tafiditra anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT) ny fiaraha-miasa ho an’ny sekoly teknika iompanan’ny fanohanana. Nanomboka omaly, “hi­fanampy ny sekoly ambony INTH sy ny Lycée teknika Ampefiloha (LTA) amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ananan’ny roa tonta : laboratoara, efitrano fianarana”, hoy ny tale mpan­drindra ny JMCT eto Mada­gasikara, Rakotondra­jaona Luc, omaly, teny Am­pefiloha. Nanamafy ny mpitantana ny LTA, Ramiandra­soa Mbola fa mifanakaiky ny sekoly roa ka tsy ho sarotra ny fifanohanana. Samy mifototra amin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ary ny nahandro rahateo ny lalam-piofanana sahaniny. Natao omaly ny fandraketana an-tsoratra ny fifanarahana teo amin’ny telo tonta. Fifanarahana faha-12 tontosain’ny JMCT teto Ma­da­gasikara izao ho fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ny tanora malagasy rehefa vita ny fianarana. Azo havaozina isaky ny herintaona ny fifanarahana.
Ho fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ireo sekoly iantefan’ny tetikasa sy ny rafi-pitantanana misy (minisitera, sehatra tsy miakina…), nanofana mpanamora na mpanelanelana ny tetikasa. Talen-tsekoly teknika, tale jeneraly 17 no voaofana ka izy ireo no hanetsiketsika ny fifanakalozana sy hampaharitra ny tetikasa rehefa hifarana ny taona 2024.

Vonjy A.

Partager sur: