Oniversite rehetra : voarara ny “Bizutage”

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa voarara manomboka izao ny fanaovana “bi­zutage”. Toy izany koa ny hetsika rehetra fanaon’ny mpianatra tranainy handraisana ireo mpianatra vaovao manerana ny oniversite sy IST rehetra miankina amin’ny fanjakana.
Toraka izany ny karazana fifaninanana rehetra ara-kolotoraly na ara-panatanjahantena mety hiteraka fifandirana eo amin’ny samy mpianatra sy samy hafa fiaviana. Ny karazana fifaninanana amin’ny alalan’ny dihy na hetsika manindrahindra ny isam-paritra sy fiaviana dia voarara avokoa.
Noraisina ny fanapahan-kevitra noho ny toe-draharaha mateti-pitranga eny amin’ny Campus-n’ny oniversite izay miteraka savorovoro eo amin’ny samy mpianatra sy ny fanimbana fotodrafitrasa. Anisan’ny tranga farany teo ny niseho teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao Ambondrona Mahajanga izay nahamay fotodrafitrasa.
Nanamarika kosa ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana siantifika fa azo atao tsara ny hetsika hikambanan’ny rehetra izay tsy mivoy firazanana na fiaviana na foko. Ohatra
amin’izany ny kolontsaina malagasy.
Ny hetsika ara-tsosialy sy kolontsaina ary ara-panatanjahantena rehetra kasain’ny mpianatra hatao kosa dia tsy maintsy mahazo alalana mialoha avy amin’ny filohan’ny oniversite na ny tale jeneralin’ny IST vao azo tanterahina. Ny fikambanana isan-tsampam-pianarana no manatanteraka izany.

Tatiana A

Partager sur: