Handeha ho any Le Caire, Egypta ny Ankoay U19 lehilahy. Hiatrika fiofanana, hiatrehana ny fiadiana ny “Mondial 2023”, taranja basikety, hatao any Hongrie ny 24 jona – 2 jolay, ny anton-dian’izy ireo. Hotanterahina ny volana avrily ho avy izao ity fiofanana ity, ary haharitra 15 andro. Araka ny nolazain-dRamaroson Jean Michel, filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMB) “tsy hisy fiovana firy ny mpilalao. Saingy azo heverina ny ahitana mpilalao vahiny iray na roa”.
Hiatrika fifaninanana iray any Le Caire izy ireo. Fiaraha-miasa misy eo amin’ny FMB sy ny Federesiona egyptianin’ny basikety no nahatanteraka izany. Maro ireo ekipam-pirenena tafakatra amin’ ny “Mondial 2023” no handray anjara amin’ny fifaninanana any Egypta. Marihina fa nisy mpilalao vahiny 16 taona tonga namonjy ny fampivondronana saingy tsy mbola fantatra raha voatazona izy na tsia. Ankoatra izay, misy ireo mpilalao eto an-toerana no efa voaantso inefatra nandritra ny fampivondronana ny Ankoay saingy tsy mbola maharesy lahatra izy ireo.
Marihina fa manaraka ny fiofanana any Salt Lake City Utah ao Amerika i Mathias M’Madi. Raha tsiahivina, voahosotra ho mpilalao mendrika (MVP), nandritra ny fifaninanana “Afrobasket men U18” natao teto amintsika izy, ary mbola nahazo ny mpampiditra isa be indrindra na “meilleur marqueur” tamin’izany fifaninanana izany.
Fitia (Mpianatra asa)