“Tsy misy idirany amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ny fanaovana sorona olombelona fa omby na akoho amam-borona, toy ny gisa, gana no fanao, raha misy ny ala faditra”, hoy Andriandrainarivo Josephin, filohan’ny ANTM, raha nanontaniana tetsy Anosy, omaly. “Olona ihany no alana faditra, izany hoe, ny vatan’olombelona no avotana raha misy zavatra mahazo azy”, hoy ihany izy. Nohazavainy fa soloina zavatra manana aina hafa mba hanalana izany faditra izany. Mety ho vonoina na alefa velona any anaty ala ilay biby mandritra izany. Ilay olombelona sarobidy io no hanaovana ala faditra fa tsy vonoina. Izy marary no avotana ary hakana biby mba hanalana faditra azy, raha ny fanazavany hatrany. Saro-pady sy lafo vidy ny olona satria miompana amin’ny ain’olombelona daholo na inona karakarain’ny mpitsabo na inona.
Etsy an-kilany, nambarany fa toerana fady faty ny toeram-panasinana na ny doany. Ankoatra izay, maro amin’ireo mpitsabo nentim-paharazana no tsy mandeha mankany amin’ny toerana misy faty, eny fa na dia mihinana sakafo amin’ireny toerana ireny aza. “Noho izany, manota fady anay ny fitondrana faty any amin’ny toerana fanasinana na misy doany”, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa sady hanosoram-potoka no hanotana fady azy ireo ny antony itondrana sy anariana faty eny amin’ireny toerana ireny.
“Marihina fa anisan’ny voahoso-potaka ny mpitsabo ara-pomban-drazana, izay ampahany iray ao anatin’ny Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana izay mampiasa ny toeram-panasinana na ny fombam-panasinana”, hoy ihany ny filohan’ny ANTM. Tsara ho fantatra fa hotanterahina ny 28 aogositra izao, etsy Anosy, ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana.
Mino




