Feno fihetseham-po ny fitantaran’i Erick Manana… “Teny ambony sehatra no nirafitra ny tarika, tany Bordeaux. Fa avy dia nifankahazo am-panahy ka tonga amin’izao 30 aona izao”, hoy ny ampahany tamin’ny fitantarany ny tantaran’ny tarika Feo Gasy, nandritra ny fihaonana tamin’y mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny QG Ankorondrano. Tafavory eto Antananarivo ny mpikambana rehetra amin’ izao fotoana, hiatrika ilay fampisehoana izay hotontosaina ny sabotsy 29 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny CCI Ivato.
“Hatao hahatsiarovana ireo namana efa lasa io. Tao Rakoto Frah, Fafah, Bariliva ary Sata. Fanirianay mihitsy ny mba hoe aty an-tanàna no manomboka ny fiarahana indray, satria hanatontosa fihodinana any Europe izahay aorian’io”, hoy hatrany ny nambaran’i Erick Manana. Ireo hira nanamarika izay 30 taona izay no halahatra. Manomboka any amin’ireo voarakitra anatin’ny rakikira “Tsofy rano”, nivoaka ny taona 1997 io, hatraty amin’ireo vao noraisim-peo farany, ka hivoaka rakikira amin’ny volana janoary 2027.
Avy dia niatrika ny famerenena ny tarika vantany vao tonga i Pasy sy i Erick Manana. Tafiditra avy hatrany anatin’ny fanahin’ny hiran’ny Feo Gasy koa ny feon’i Dadou, zanak’i Fafah. Hifanampy amin’ ny feon’i Benny, raha toa ka hiankina betsaka amin’i Nini kosa ny tendry gitara. “Faly fa sitrapon’Andriamanitra ny mbola ifankahitana indray. Mbola misy ny zavatra tokony hatao ka hanao zavatra tsara mihitsy amin’io”, hoy kosa ny toky nomen’i Kolibera, zokiny indrindra anatin’ny Feo Gasy. Mahafaly ny rehetra ny fahitana azy miroso anaty fahasalamana ka afaka hiaka-tsehatra indray.
“Manetry tena be izy, fa tsy Feo Gasy irery fa misy ampaham-potoana hanaovana ireo hiran’i Erick Manana amin’io”, hoy kosa ny nambaran’i Rivo Randriamanamihantasoa, mpikarakara. Tsy ho latsaky ny ora efatra, araka izany, ny seho.
Zo ny Aina




