Haharitra roa andro ny fivoriana andiany faharoa, eto Antananarivo, izay fihaonamben’ny mpikaroka sy tanora mpikaroka eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Hahafahany mifanakalo traikefa amin’ny olana sy ny vahaolana iombonana ny hetsika.
Ny Fondation de l’innovation pour la démocratie, amin’ny alalan’ny laboratoire Océan indien no mpikarakara ny hetsika. Mampisongadina ny traikefa ananan’ny tanora vao misehatra amin’ny fikarohana aty amin’ ny ranomasimbe Indianina ny fihaonana.
« Tombony ho an’i Madagadikara ny fifandraisan’ny tanora malagasy mpikaroka sy vahiny amin’ny fifanakalozana traikefa amin’ny famahana olana mety iombonana fa tsy mitovy ny fomba ampiasaina. Tsy mitovy koa ny olana indraindray ka zava-dehibe ny fifaneraserana, ahafahana mivoatra sy manatsara ny fikarohana ataon’ny tanora malagasy », hoy ny talen’ny fikarohana sy ny haivao eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Josie Dominique, omaly, teny Ambodivona.
Lohahevitra iarahan’ny mpikaroka ny demokrasia « substantive ». Tsy mionona amin’ny fanaovana fifidianana fotsiny ny demokrasia. Raha te hampandroso firenena dia mila manakaiky vahoaka ka omena sehatra izy ireo hiteny, ohatra, amin’ny lafiny tontolo iainana. Vahoaka no miandraikitra voalohany ny tontolo iainana, mpisitraka ny tombontsoa nefa koa mety manimba azy. Ampandraisina anjara amin’ny demokrasia « substantive » izy ireo vao afaka miroso amin’ny fandrosoana ary omena andraikitra bebekokoa amin’ny fikajiana izany.
Demokrasia « substantive », midika hoe, ireo vahoaka eny ifotony no miteny. Ahitana ny mpitrandraka ala, mpanjono, mpanao arina… mpampiasa ny tontolo iainana amin’ny zavatra tsotra amin’ny fiainany. Iaraha-miasa aminy ny zava-dretra ho tody amin’ny tanjona fampandrosoana iarahana, araka ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny foibem-pikarohana nasionaly momba ny tontolo iainana, Ramisandrazana Rakotoariseheno.
Politikam-panjakana ankehitriny ny manohana ny fikarohana mifantoka amin’ny fikarohana manakaiky vahoaka, miseho amin’ny firaisan’ny mpikaroka miaraka amin’ny mpisehatra ifotony manohana ny tanora hampahafantatra ny voka-pikarohany.
Vonjy




