NISY NANENDAKA: Vehivavy Hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa

Nokarohin’ny mpamonjy voina nandritra ny alina tontolo tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Tanjombato, ny tovovavy iray. Hita omaly, tamin’ny 7 ora maraina, ny vatana mangatsiakany. Niezaka nitsoaka izy rehefa nisy nanendaka teny an-toerana, afakomaly hariva, ka latsaka tao anaty rano, ary namoy ny ainy tao.

Tovovavy iray 22 taona, efa tsy nisy aina intsony, no nampakarin’ny vondrona mpamonjy voina avy ao amin’ny reniranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, tamin’ny 7 ora sy 15 minitra. Teo amin’ny mifanandrify amin’ny lalana Saropody no nahitana ny razana. Mbola teny aminy avokoa ny akanjo nanaovany, nikainkona ny tanany, nandritra ny fampakarana ny razana. Nahitana vola 1 hetsy Ariary ihany koa tany am-paosiny rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, avy niasa teny Itaosy ity tovovavy hita faty ity sy ny vehivavy iray hafa, izay mpiara-miasa aminy, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly. Miasa amin’ny olona izy ireo ary handeha hamonjy fodiana teny amin’ny trano fonenany. Rehefa niala taxi-be dia nandeha an-tongotra teny Tanjombato, nefa ny andro efa alina. Nifanehatra sy nenjehin’ny bandy maromaro anefa izy roa vavy ireo nony tonga teo akaikin’ny tetezana Tanjom­bato. Niezaka nandositra sy niaro tena izy ireo, kanjo latsaka tao anaty ranon’Ikopa avy eo amin’ny tetezana, lalamby Tanjombato, ny iray. Raha tafatsoaka ny tovovavy iray namany izay niaraka taminy.

Nokarohina hatramin’ny alina
Niantso vonjy sy nampandre ny rahavavin’ilay vehivavy latsaka tao amin’ny ranon’ kopa ny naman’ny maty taorian’izay. Nampandrenesina ihany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Tanjombato sy ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nanao ny fikarohana ireto farany. Tonga naka ny razana sy nitondra azy tany amin’ny tranom-paty HJRA Ampefi­loha ny avy amin’ny BMH. Hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola tonga teny amin’ny tranom-paty moa ny havan’ny maty. Marihina fa avy any Faratsiho ity tovovavy namoy ny ainy ity. Tombanana ho ny halaviran-tany no tsy nahatongavan’ny fianakaviany omaly. Efa eo am-pelantanan’ny polisim-pirenena ny fanadihadiana ny tohin’ny raharaha.
Misesisesy ny trangana tsy fandriampahalemana eny amin’io toerana io. Nahitana tranga nitovy tamin’ity tranga ity, ny 17 oktobra 2025, tamin’ny taon-dasa. Lehilahy miisa roa no nisy nanendaka teny Tanjombato, ny harivan’io, tamin’ny 7 ora. Tafa­tso­aka ny iray raha nosemporin’ny jiolahy tao anaty ranon’ Ikopa ny iray hafa ka maty tao.

Mino

Partager sur: