Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny tetikasa fitantanana ny fako eto an-dRenivohitra (GESDA), izay iarahana amin’i Japon ho fanampiana ny kaominina sy ny SMA amin’ny fako eto Antananarivo.
Misokajy roa ny tetikasa dia ny fanomezana fitaovana hampiasain’ny SMA sy ny fifanakalozana traikefa iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any Japon. Mikendry ny Fomba mahomby amin’ ny fitantanana ny fako, indrindra fa ny fikarakarana ny fanatobiana ny fako eny Andralanitra izany.
Ankoatra izay ny fanofanana amin’ny fampiasana ireo fitaovana izay efa nomen’izy ireo amin’ny fomba mahomby. Traikefa efa nahitana vokany tany amin’ireo firenena afrikanina maro no hatao.
Tanjona amin’ity tetikasa ity ny fanatsarana ny fomba fandraofana sy ny fitantanana ny fako amin’ny ankapobeny. Eo koa ny fanatsarana ny fikojakojana ny fitaovana ary ny fanamafisana ny drafitra fandraofana fako amin’izao fotoana izao.
Haharitra 4 taona ny tetikasa ary heverina fa hitondra fiovana tsara amin’ny fifehezana ny fako eto Antananarivo Renivohitra izany.
Tsiahivina fa tohin’ny dian’ ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, tany Tokyo, mahakasika ny fanokafana ireo tolo-bidin’ny fampitaovana ny SMA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ao anatin’ny tetikasa GESDA izao tanterahina izao.
Tatiana A