Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana miloko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ato anatin’ ny Cisco valo (Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Andramasina ary Ankazobe sy Anjozorobe) mandrafitra ny Dren Analamanga, araka ny filazana maika navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly maraina.
Mitohy koa ny hetsika fanamarihana ny Andron’ny sekoly ho an’ireo ivontoeram-pampianarana nanomana izany tamin’ity herinandro ity.
Afaka manao « ratrapage » mandritra ny fialan-tsasatra
Miditra amin’ny fialan-tsasatra ny mpianatra rehetra manomboka ny alatsinainy 27 febroary ka hatramin’ny zoma 3 marsa ho avy izao, araka ny efa voarindra ao anatin’ny tetiandrom-pampianarana. Afaka manatanteraka « séance de ratrapage» ny sekoly ka ny tale no mandrindra izany mandritra ny fiatoan’ny fampianarana. Hiditra amin’ny efa-bolana fahefatra ny mpianatra ny 6 marsa ka hatramin’ny 7 avrily ho avy izao. Hosantarina ny 8 avrily ka hatramin’ ny 23 avrily ny fialan-tsasatry ny Paka. Mamarana ny taom-pianarana amin’ ny roa volana fahadimy ny 24 avrily ka hatramin’ny 23 jona.
Omaly, nisy ireo mpianatra tsy nahafantatra ny toromarika navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka namonjy ny sekoly ihany. Niverina rehefa nilaza ny tomponandraikitra fa tsy mianatra aloha.
Vonjy A.