Nankalaza ny talata matavy ny sekoly maro teto Antananarivo, afakomaly. Naseho tamin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany. Nanaovana diabe manerana ny tanàna ho an’ny sekoly Les Petits Lauréats etsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra anjara. “Ny tontolon’ny asa” ny lohahevitry ny hetsika ho azy ireo. Nanao fanamiana miavaka mifanaraka tamin’ny lohahevitra ireo mpianatra tsirairay nandritra izany. Niaina sahady ny tanjona tiany hotratrarina any aoriana izy ireo. Nisafidy ny ho mpitsabo, ho mpitandro filaminana, ho mpampianatra, ho tantsambo, ho mpitsara… ny ankamaroan’izy ireo.
“Ilaina ny maneho sy mamantatra ny asa tiana hatao rehefa lehibe dieny izao”, hoy ny tale eo anivon’ny sekoly, Rampanarivo Lydia. Tanjona ny hamolavolana ny sain’ny ankizy dieny mbola kely mba tsy hananosarotra ny fanohizana ny fianarana any aoriana, araka ny fanazavana. “Tsy vita irery ny fanabeazana fa ifanampian’ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny ray aman-dreny”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa hahatafita ny mpianatra ny tanjon’ny sekoly ary azo tsapain-tanana izany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Marihina fa mamarana ny litorjia katolika amin’ny herinandro tsotra mandavantaona ny talata matavy. Hanaovana fihinanambe mialoha ny hidirana amin’ny fifadian-kanina. Natomboka omaly alarobian’ny lavenona izany. Mba hiomanana amin’ny fetin’ny Paka.
Mino (mpianatra asa)