Na dia mbola tsy nivoaka aza ny anaran’ny mpanazatra sy ny mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, U23, efa manao antso sy mametraka arofanina ho an’ny Federasiona ny mpilalao teo aloha, toa an’i Voavy Paulin.
Amin’ny faramparan’ny volana septambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana Can U23 2027, hihaonana amin’i Comores, ny Barean’i Madagasikara. Manoloana ny siosion-dresaka efa mandeha eny amin’ny tambajotran-tserasera, manao antso sy nanome soso-kevitra amin’ny fandrafetana ny ekipam-pirenena, i Voavy Paulin, mpilalaon’ny Barea fahiny, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy, nandritra ny Can 2019, ny alakamisy teo, tao anaty pejiny Facebook.
“Tsy ilaina ny hanaovana fifantenana mpilalao aty France ary tsy mila coach vazaha izany, fa omeo ireo Malagasy mpanazatra mahay sy mendrika ao Madagasikara izany”, hoy ity kintan’ny baolina kitra malagasy teo aloha ity.
Notsiahiviny ihany fa amin’ny sokajin-taona U23, raha mahay ny mpilalao iray any ivelany, tokony ho efa anatin’ireny klioba goavana ireny, ary efa mifanintsana amin’ny National 3 (N3), N2, N1, na Ligue 2, na Ligue 1. “Aleo ireo mpilalao ao Madagasikara ihany no hanao izany ary hatevenina amin’ireo efa mpilaravinahitra milalao amin’ny klioba sangany aty ivelany”, hoy hatrany i Voavy Paulin. Etsy ankilany, tsy mbola nahenoina vaovao mahakasika ity Barea U23 ity, hatramin’ny ora nanoratanay omaly, ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF). Tsy mbola fantatra ihany koa ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny Barea U23 sy ny kianja hampiantranoana an’i Comores, izay hatao eo anelanelan’ny 28 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy io.
Fitia Randria




