Anisan’ireo angady nananana, nahazoan’ny ekipa nasionaly, sokajy vehivavy, ny medaly volamena nandritra ny “Championnats des Nations U18”, taranja volley-ball, natao teto Madagasikara, ny 4-12 aogositra lasa teo, ny mpanazatra, Rakotondrasoa Danny na i Danny Racap. Lehilahy nobeazina tao anatin’ity taranja ity nanomboka ny taona 2000 ny tenany. Tany Mahajanga no nanombohany izany fony izy mpilalao.
Ankoatra ny maha mpanazatra azy, misehatra eo amin’ ny asa fanaovan-gazety ihany koa ny tenany, sady mpikambana ao amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM) sy ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM). Nambarany fa mifameno ny asa fanaovan-gazety sy ny maha mpanazatra ekipa nasionaly. “Mifameno izy io satria manampy ahy amin’ny fifandraisana amin’ireo federasiona namana sy ny maha mpanazatra ahy ity asa fanaovan-gazety ity”, hoy izy.
Manana vina hitondra ny sekoliny, EVBI, hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena Rakotondrasoa Danny. Maniry ny hanazatra sy hizara ny traikefany amin’ireo ekipa any ivelany toy ny any La Réunion, Maurice, na Eoropa izy. Tsiahivina fa efa nitondra ny ekipa nasionaly, vehivavy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2007 teto Madagasikara, i Danny Racap. Efa maro koa ny klioba nentiny, anisan’izany ny ASPTT vehivavy, ny Usca volley, efa im-pito tompondakan’i Madagasikara ary izao ny EVBI.
Fitia Randria




