Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina am-polony indray no tonga eto Madagasikara hanampy ireo efa am-perinasa amin’ny sehatra marolafy. Fanabeazana sy fahasalamana ary fambolena no hiseharan’izy ireo, any amin’ny toerana mangataka tohana ho amin’izany sy mila ny traikefan’izy ireo.
Hiofana mandritra ny 10 herinandro, any Mantasoa, hiatrehany ny asa miandry azy ireo vahiny. Hiomanany koa amin’ny fiainany izay hanamarika ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo amin’ny fomba ofisialy izany.
Hianatra momba ny teny malagasy, mifanaraka amin’ny faritra hiasany izy ireo, hanamorany ny fifaneraserana tsara eny ifotony. Eo koa ny momba ny kolontsaina mifandraika amin’ny faritra iseharany. Ankoatra izay, ny karazana teknika mahakasika ny asany ifampizarana amin’ireo fiarahamonina eny ifotony.
Efa maro ireo faritra nisitraka ny tombontsoa nentin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Mitondra ainga vao ho an’ny fampianarana teny anglisy, ny teknikam-pambolena sy ny sehatry ny fahasalamana eny amin’ireo toerana mila izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina.
Tatiana A




