Samy hiakatra kianja, anio, ny CFFA sy ny FC Rouge, eo amin’ny fifaninanana afrikanina. Ho an’ny CFFA, hotontosaina ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, Maurice, ny lalao mandroso hihaonan’izy ireo amin’ny Lijabatho Lesotho. Fihaonana tafiditra anatin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des Champions Caf” izy ity. Ho an’ny FC Rouge kosa, ao amin’ny Kianjan’ny Stade Levy Mwanawasa Ndola, Zambia, no hanafika ny Red Arrows FC izy ireo. Fifanandrinana ao anatin’ny lalao savaranonandon’ny “Coupe de la confédération Caf. Raha ny vaovao azo, efa any an-toerana avokoa ny mpilalao ary efa niatrika fanazarantena. Vonona na ny CFFA na ny FC Rouge. Tsiahivina fa hatao atsy Maurice, ny 13 septambra ho avy izao, ny fifandonana miverina eo amin’ny Red Arrows sy ny FC Rouge. Atsy Afrika Atsimo, ny 12 septambra, kosa ny lalao miverina ho an’ny Lijabatho FC sy ny CFFA. Marihina fa efa niatrika lalao afrikanina indroa ny CFFA, ny taona 2021 sy ny 2022. Sambany kosa izany ho an’ny FC Rouge.
Fitia Randria




