Mifanohana ny firenena japoney sy i Madagasikara ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiahiana ara-tsakafo.
Nanao sonia fifanarahana mifandraika amin’ny Fandaharanasa tohana ara-tsakafo ho an’ny taona 2026 ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Tojima, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Alice N’diaye, ary ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitantena ara-tsakafo, Gaëtan Ramindo, omaly. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Japon amin’ny lafiny maro.
Tafiditra amin’ny fandaharanasa ny fanomezana fanampiana, vary mitentina 7,9 milara Ar, hanohanana maharitra ny fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara. Hamidy eny amin’ny tsena mahazatra ny mpanjifa ny vary, saingy amin’ny vidiny mirary. Ny vola vidim-bary azo dia hametrahana tahiry manokana hamatsiana tetikasa fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy ho tombontson’ny vahoaka malagasy. Efa nahazoana vokatra tsara ity hetsika ity ny taona 2023, nahafahana nividy vary milanja 2 411t ary andrasana ny tohana ho an’ny fandaharanasa 2024 hamaliana ny filana mandritra ny fotoan’ny maitsoahitra.
Fanambarana nataon’i Japon tany Tokyo, nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana aty Afrika (Ticad 9), ny volana aogositra 2025, ho fanampiana ny fambolena aty Afrika izany. Efa nisy ny fanomezana zezika milanja 1 450t ny volana jona lasa teo. Mbola ho avy koa ny fitaovam-pambolena sy tetikasam-piaraha-miasa miaraka amin’ny Jica. Tanjona ny hanapariahana ny fomba fambolena mahomby, mampitombo ny vokatra sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha.
Nanohana an’i Madagasikara am-polo taonany maro i Japon momba ny fiahiana ara-tsakafo ary mbola hitohy hatrany mandritra ny taona maro izany.
Vonjy




