Hiverina an-dakilasy manomboka anio ny mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa manerana ny Nosy, ho an’ny taom-pianarana vaovao 2026-2027.
Hifarana ny 30 oktobra ho avy izao ny roa volana voalohany ary hiroso amin’ny fitsaharana ny 31 oktobra hatramin’ny 8 novambra ho avy izao. Ny 9 novambra ka hatramin’ny 23 desambra ny roa volana faharoa amin’ny taom-pianarana.
Mandritra ny herinandro voalohany, mitsapa ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny fizarana kely ny mpanabe handrefesana ny lenta eo amin’ny tsirairay. Misy amin’ireo sekoly tsy miankina no tsy miverin-kariva aloha mandritra ity herinandro ity indrindra ireo kilasy manana kilonga madinika. Ho an’ny EPP, tapakandro isan’andro ihany no mianatra noho ny fandaminana.
Tsy maintsy fenoina koa ny fitaovam-pianarana sy ny boky ilaina rehetra ao anatin’ ny herinandro voalohany hampirindra ny taom-pianarana.
Nohamafisina ny fitandroana ny fahalemana manodidina ny sekoly noho ny zava-misy tato ho ato ka misy toromarika tsy maintsy arahan’ ny ray aman-dreny sy ny olona mitsena ny mpianatra isan’ andro. Tsy mahazo mandeha irery koa ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany fa tokony hisy olona manatitra mialoha ny fidirana sy maka aorian’ny firavana. Mila milaza mialoha ny ray aman-dreny raha misy tsy fahafahana manao izay handraisana fepetra manokana.
Momba ny fandaharam-panabeazana, nisy ny fihaonana tao amin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, teny Anosy. Natolotry ny minisitera mpiahy ny volavolan-kevitra fanavaozana ny fandaharam-panabeazana vaovao izay hanafoanana ny sokajy A -C sy D fa hosoloina tanteraka ny L – S ary OSE manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao ity. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny Vovonana fa tsy mbola nanome valin-teny mifandraika amin’izay izy ireo satria tsy niomana ireo sekoly tsy miankina eto Madagasikara. Tokony mbola hisy fifampidinihina lalina eo amin’ny mpiandraikitra ny fanadinam-panjakana sy ny fandaharam-pianarana fa tsy tokony hirotorotoana ny fanavaozana.
Vonjy




