Teny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), izay tarihin’ny filohany Rabetsitonta Tovonanahary, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra ny heviny tamin’ireo mponina teny an-toerana mahakasika ny fanjakana mizaka tena izay voiziny izy ireo. Tamin’izany no nitondran-dRazafimanantsoa Jerison, teknisianina ao amin’ny IFR fanavaozana fa firehan-kevitra roa no misy mivoy dia ny fanjakana tokana sy ny fahaleovantenam-paritra. Ny faritany mizaka tena kosa dia hevitra eo anelanelan’ireo roa ireo.
Tsy mirona amin’ny fivangongoan’ny fahefana amin’ny fanjakana foibe kanefa tsy manome fahefana feno na fahaleovantenan’ny faritra tanteraka. Ny fahaleovan-tenam-paritra dia midika fa hanana ny lalàmpanorenany ny faritra na faritany tsirairay ka samy hanjakazaka amin’ny fahefany ao amin’ny faritrany avy. Heverina hitondra amin’ny fivakivakisana izany.
Ny IFR kosa dia mipetraka eo anelanelany. Manome fizakan-tena ara-pitantanana. Tsy maintsy fidiana ireo hitantana eo amin’ny faritany. Omena fizakan-tena ara-bola izy ireo. Omena fizakan-tena amin’ny fitantanana ny hetra.
Ny fanjakana foibe kosa no hiantoka ny firindran’ny fandrosoana eny amin’ny faritany ary hanokana tetibola manokana hitsinjovana ny firindran’ ny fampandrosoana eny anivon’ ny faritra. Lalana hahatongavana hanana fampandrosoana midrindra izany volavolan-dalàna irosoan’ny IFR.
Tatiana A




