Bazarikely Toamasina: nohamafisina ny fantson-drano

Manoloana ny tranga fahamaizan’ny tsena bazarikely Toamasina, izay saika miseho isan-taona. Amafisina ilay fan­tson-drano efa miasa ary hampiana fantson-drano miisa telo manodidina ny tsena. Teo aloha, tsy misy afa-tsy fantson-drano (bouche d’incendie » iray ihany tao an-toerana, izay eo anoloan’ny Score.
Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa mbola fotodrafitrasa napetraky fitondram-panjakana teo aloha ny iray voalaza etsy ambony. 66 taona aty aoriana vao hametraka fantson-drano vaovao indray ny kaominina. Izany no atao dia mba tsy hampanahirana amin’ny fiatrehana fahamaizana goavana tahaka ny mitranga matetika. Ankilany, noezahina ihany koa ny hanokafana lalana mampisaraka ny tsena ambony sy ny ambany hahafahan’ny fiarabe mpamonjy voina hiasa araka ny tokony ho izy, hoy ny fanazavany ihany.
Tsiahivina fa ny alin’ny alahady 2 aogositra lasa teo no ravan’ny afo ny tsena bazary kely vokatry ny fipoahan’ny vatoharatry ny finday an’ny mpiambina iray sy ny fifampikasohan’ ny herinaratra. Ravan’ny afo avokoa ny 90% tamin’ny tsena lasibatra.

Sajo

Partager sur: