Rugby – XXL Top 12: voahositra ho tompondaka ny Cosfa

Tontosa omaly, tetsy amin’ ­ny kianja Makis Andoha­tape­naka ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja rugby XXL Top 12. Voahosotra ho tompondakam-pirenena ny Cosfa (Be­baoty) rehefa nandresy ny Uscar, tamin’ny mokafohy, 26 no ho 25. Niady tanteraka ny fihaonana satria nifanenjehana hatrany ny isa. Na izany aza, nitarika 8 no ho 0 ny Uscar, rehefa nahatonga baolina nentin-tanana tsy voatsara sy “hors jeu” iray. Ny Uscar, notarihin’i Tianarivo, Bosco ary i Tony. Taorian’io vao nanenjika tsikelikely ny miaramila, nahitana an’i Mbola sy i Maxim niampy an’i Mael sy Radaoro. Nihoarany mihitsy ny isa teo am-pialantsasatra, 15 no ho 14. Fizaram-potoana faharoa, nitarika in­dray ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, 20 no ho 18. Tsy nanaiky lembenana anefa ny Bebaoty fa niady hatramin’ny farany. Niampy baolina nentin-tanana iray tsy voatsara ny an’ny Uscar raha “hors jeu” iray sy baolina voatsindry tsy voatsara kosa ny an’ny Cosfa. Nahazo lelavola 10 tapitrisa Ar izy ireo, niampy amboara sy medaly volamena. Voahosotra ho mpanazatra mendrika Razily, avy amin’ny Cosfa ary i Eric, mpilalaon’ny miaramila ihany koa no mpilalao mendrika sy namono bao­lina be indrindra. Nahazo ny amboara “Fair-play”, ny FTM. Nitana ny laharana fahatelo, ny CEA izay nandresy ny FTM, tamin’ny isa 56 no ho 49. Mia­katra ao amin’ny Top 12 kosa ny RCSA rehefa nandresy ny Cheminots, tamin’ny isa 42 no ho 39.

Tompondaka

Partager sur: