Fantina sy fintina

Hamelo-maso ny antoko eny ifotony ny eo anivon’ny Tim amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Ny Riana. Nohamafisiny fa haverina amin’ny tanjany ha­treny anivon’ny fokontany ny antoko. « Hovitaina hatramin’ny oktobra ny fitsidihana sy fanamafisana ny Distim sy ny Comtim ary ny Foktim », hoy izy.
Nankasitraka ny fanendrena ny PDS Razaha Tondraha ao amin’ny kaominina Toliary ny avy amin’ ny « Bandeau rouge », amin’ny alalan’ny mpitarika, Ralai­vahiny Frerot. Niantso fifanomezan-tanana ny ho amin’ny famahana ireo olana ao an-toerana ny tenany. Tsiahivina fa voatendry ho PDS lefitra voalohany, Veloson Gregoire ary faharoa kosa, Vital Serge.
Notsiahivin’ny KMF/Cnoe fa mandrara ny fanavakavahana mifototra amin’ny taona ny andininy fahenina ao amin’ny Lalàmpanorenana momba ny fifidianana. « Manome zo ny olom-pirenena rehetra hifidy sy hofidina, ho an’ireo mahafeno ny fepetra takin’ny lalàna momba ny taona, araka izay voalazan’ny andi­niny faha-15 », hoy izy ireo.
Mangataka ny fitondrana hamory amin’ireo miandany amin’ny fanjakana federaly sy ny fanja­kana tokana na koa ny Faritany mizaka tena ny antoko Gasy Mi, tarihin’i Zafivao Jean Louis. « Aleo hiadiana hevitra sy hampahafantatra izany izy ireo ho an’ny tombontsoan’ny faritra sy ny firenena. Aoka hampanatonina ny vahoaka ny fahefana », hoy izy.

Partager sur: