Fanatsarana ny zotram-pifidianana: horaisin’ny Ceni sy ny FFKM ny tolo-kevitra teny Iavoloha

Tsy ho very anjavony. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa horaisin’ny FFKM an-tanana ireo tolo-kevitra rehetra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana natao teny Iavoloha. Horaisin’ny Ceni koa izany.

« Hisy ny vaomiera handray sy handamina ary hampiditra izany amin’ireo lohahevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny loharanom-baovao, taorian’ny nifaranan’ny fakan-kevitra nataon’ny filoham-panjakana nandritra ny fito andro.

Etsy andaniny, hahazo ny tolo-kevitra teny Iavoloha ihany koa ny eo anivon’ny Ceni, ho amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Hitohy amin’ny fihaonan’ity rafitra misahana ny fifidianana ity amin’ny solontena iray avy amin’ireo antoko sy fikambanana na vovonana tamin’ireo teny Iavoloha izany. Hifandinika sy handravona ny fehin-kevitra amin’izany mba hoentina eo amin’ny fikaonandoham-pirenena izany fihaonana iarahana amin’ny Ceni izany. Notsiahivin’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, fa fakan-kevitra fotsiny ihany iny natao teny Iavoloha iny. Tsy misy fanaovana sonia na koa famolavolana fehin-kevitra iraisana, araka ny nambarany. « Tsy maintsy handalo hodinihina amin’ny fikaonandoham-pirenena avokoa ireny », hoy izy. Anisan’ireo voaasa amin’ny maha filoham-panjakana azy teo aloha ny tenany tamin’iny fakan-kevitra iny.

An-jatony ireo hevitra voahangona

Teny an-toerana koa ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, ary nanambara fa noraisiny ho adidy ny mitondra tolo-kevitra ho fanavotana ny firenena amin’ny maha mpitantana azy teo aloha.  Firenena iombonana ary andraikitra hiaraha-manana ny fanavaozana sy fanarenana azy, araka ny nambarany. « Maro ireo sosokevitra narosonay nandritra ny fihaonana tamin’ny filoham-panjakana. Efa niatrika fifidianana taorian’ny krizy politika izahay ny taona 2013, ary teo ihany koa ny fifidianana mialoha ny fotoana tao aorian’ny hetsika politika nisy teto amin’ny firenena, ny 2018 », hoy izy.

Tsiahivina fa nanolotra sosokevitra teny Iavoloha ireo vovonana sy fikambanana ary antoko politika maro. An-jatony ireo hevitra voaangona ary itovian’ny rehetra ny hanavaozana ny Ceni. Ny famaritana ny fitsipika na  koa ny lalàna ho an’ny mpanao politika hiatrika fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: