Namono pasitera: naiditra am-ponja ireo mpianaka voarohirohy

Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, ao Tsiroa­nomandidy, omaly, ireo mpianaka (raim-pianakaviana sy ny zanany lahy) voarohirohy ho namono nahafaty pasitera iray tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Naiditra vonjimaika eny am-ponja avokoa, taorian’ny fihainoan’ny mpitsara azy, izy mianaka. Famonoana olona sy firaisana tsikombakomba ny loham-piampangana hanenjehana azy ireo. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Tsi­roanomandidy, afakomaly, ilay lehilahy 36 taona. Efa malaza ratsy amin’ny resaka fandrobana sy famonoana olona any an-toerana ity farany. Tratra tao an-tampon-tanàn’Analavory, manakaiky ny Tranompokonolona izy. Nanohitra ireo polisy izy nandritra ny fisamborana azy, saingy voafehy ihany izany. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ao Tsiroanomandidy avy eo nanaovana fanadihadiana. Saika handositra tany amin’ny distrikan’i Mandoto io olon-dratsy io izao tra-tehaka izao.
Ankoatra izany, naniraka ny zanany handositra ny dadany, sady nihinana tamin’ny vola halatra ihany koa, antony hanenjehana azy. Voasambotry ny zandary ao amin’ ny zana-tobim-paritra Mahavelona, Soavinandriana Itasy, ny alarobia teo, ity farany. Raha tsiahivina, nanafika toeram-pivarotana iray tao Tsiroanimandidy ity lehilahy ity, ny alatsianiny teo. Noro­bainy tamin’izany ny vola mitentina 4 tapitrisa Ariary tao anaty fitoeram-bola sy solosaina iray. Maty novonoiny ny pasitera nitantana ny toerana. Niezaka nanohitra ilay pasitera saingy novelesiny tamin’ ny hazo ny lohany ka vaky ary nitarika azy tamin’ny fahafatesana izany.

Mino

Partager sur: