Notokanana, tamin’ity herinandro ity, ny efitrano vaovao 4 ao amin’ny sekoly Progrès ao amin’ny kaominina Iarinarivo. Fiaraha-miasa amin’ny ONG Sekoly Masoandro no nahafahana nanao izany, araka ny fanazavan’ny proviseur Ramananirina Beby Rollande.
Mamaha ny 80% ny olan’ny sekoly ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Afaka mandray mpianatra hatrany amin’ny 600 izy ireo amin’izao fotoana raha 400 monja izany teo aloha.
Voatery mandeha lavitra vao mahita sekoly ny ankizy eny amin’ny manodidina, ka izay no antony nanokafana ny sekoly Progrès tany am-piandohana. Nitombo ny mpianatra raha telo monja izany tany am-boalohany. Nitombo ny filan’ny mpianatra ka izay no nanaovana fangatahana tolo-tanana tamin’ny Sekoly Masoandro.
Afaka mianatra maraina sy hariva ny mpianatra amin’izao fotoana ary tsy hisy intsony ny fotoana very, raha ny fanazavana hatrany.
Heverina ny hanomezana torolalana arakasa ho an’ny tanora aorian’ny fahazoana bakalorea, hahafantarany ireo karazana tolotra momba ny fiofanana mifanaraka amin’ny fahafahan’ny ray aman-dreny.
Tetsy andaniny, nanazava i Jean Franco, tomponandraikitry ny ONG Sekoly Masoandro, fa “tena tery ny efitrano sekoly teo aloha, satria ankizy 50 no mifanisika ao anaty efitrano iray.
65 ny fotodrafitrasa lehibe vitan’ny ONG manerana an’i Madagasikara ka sekoly ny 52. Miantsehatra ihany koa amin’ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy famatsiana rano fisotro madio ny ONG Sekoly Masoandro.
Tatiana A




