Nametraka fitoriana mahakasika ny zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, eny amin’ny Pac ny eo anivon’ny Primatiora. “Manomboka ny fanadihadiana mahakasika izany”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony, Manjany Bienvenu.
Hanomboka ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nipetraka ho mpitory amin’izany ny fitaleavana misahana ny raharaham-pitsarana eo anivon’ny Primatiora. “Araka ny taratasy tonga eo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, natao tamin’ny 18 aogositra 2026, ny Direction de la législation et du contentieux (DLC) eo anivon’ny Primatiora dia nitory an-dRajoelina Andry Nirina momba ny nahazoana taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy”, hoy ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ambony Antananarivo, i Manjany Bienvenu. Niara-nanambara izany taminy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo.Toy ny mahazatra, misafidy ny tambajotran-tserasera ny minisiteran’ny Fitsarana.
Tsy ara-dalàna
Nohamafisin’ny fitsarana fa nanao ny fomba ahafahany mirotsaka ho fidina ny Filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ka nahatonga azy naka ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy. Efa nizaka ny zom-pirenena frantsay nanomboka ny 19 novambra 2014 anefa izy, araka ny fanadihadiana natao. Mazava ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena eto Madagasikara: ny Malagasy iray feno taona mangataka ka mahazo zom-pirenena hafa dia manary avy hatrany ny maha Malagasy azy. Izay no fototry ny fitoriana anaovana fanadihadiana ankehitriny. Efa eo an-tanan’ny mpitsara mpanao famotorana ny antontan-taratasy.
Misy fomba ny fiantsoana sy fihainoana izay voakasiky ny antontan-taratasin’ady. Tsy maintsy henoina voalohany ireo nametraka ny fitoriana. Aorian’izany vao ireo heverina ho voakasiky ny raharaha rehetra, toy izany ny olona toriana. Na tsy eo an-toerana aza ny olona voakasika, any amin’ny mpitsara mpanao famotorana no andefasana ny antontan-taratasin’ady. Misy fombafomba atao rahateo ny momba an’izany fiantsoana na fihainoana, indrindra ny olona voakasiky ny fitoriana, izany.
R. Nd.




