EITI: omena lanja ny Fiaraha­monim-pirenena

Namita iraka teto Madagasikara, ny 7 – 11 septambra teo, ny delegasionina avy ao amin’ny Rafitra finiavana hametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy (EITI). Delegasionina nahitana ny lehiben’ny iraka ara-politika EITI, Khamal Clayton, ny mpanolotsaina ho an’i Afrika miteny frantsay, Rakotoseheno Solofo, ary i Papa Alioune Badara Paye, tale ho an’i Madagasikara ao amin’ny Tonian’ny EITI. Anton-dian’izy ireo ny nijery ifotony ny fanatanterahana ny asan’ny EITI Madagasikara, taorian’ny fiovan’ny fitondrana teto amintsika, nanomboka ny oktobra 2025. Nojerena manokana ny fandraisana anjaran’ny Fiarahamo­nim-pirenena mba ho tena handraisan’ny rehetra anjara ao anatin’ny dingana EITI.
Tanjona ny hametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny harena voajanahary. Nojeren’ny delegasionina koa ny fivoaran’ny fanatanterahana ny toromariky ny EITI voafaritra ao anatin’ny taom-piasana 2023-2024 sy ny fanomanana ny tatitra 2024-2025. Eo koa ny famerenana ny fanomezan’ny Birao kadasitra momba ny harena an-kibon’ny tany, BCMM, ny fahazoan-dalana hikaroka na hitrandraka harena an-kibon’ny tany.

Njaka A.

Partager sur: