Basikety 3×3-Alley Hoop: hifarana ny 1 marsa ny fisoratana anarana

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana «Alley Hoop 3×3», taranja basikety, amin’izao ny Radio des Jeunes (RDJ), miaraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka aminy. Mbola manana hatramin’ny 1 marsa, hisoratana anarana, ireo maniry handray anjara. Eny amin’ny RDJ Analakely ny taratasy fisoratana anarana, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsiahi­vina, ny 3, 4 ary 5 marsa izao ny hanatanterahana ny fifaninanana ao amin’ny kianja ba­sikety Mahamasina. Sokajin-taona 3 ny hifaninanana, ahitana ny latsaky ny 17 taona lahy sy vavy, ny sokajy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy, izay samy misy ekipa 32 avy farafahabetsany. Ekipa 16 kosa no andrasana ho an’ny sokajy Seniors lahy sy vavy. Tanjon’ny RDJ amin’ity fifaninanana ity ny hampilalao ny tanora. Ho fanomanana ny fifaninanana Iraisam-pirenena ho avy kosa ny tanjona ho an’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety, izay miara-misalahy amin’ny RDJ, mikarakara ny lafiny teknika.

Mi.Raz

Partager sur: