Tontosa tamin’ny 13 febroary lasa teo ny fivoriana nandinihana ireo fitsipika hifehy ny taranja kick boxing, mandritra ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nizoran’ny fivoriana, ka nandray anjara tamin’izany avokoa ny solontenan’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayotte ary i Madagasikara.
Tsiahivina, ny discipline Low Kick no hifaninanana, ka tapaka tamin’izany sy nohamafisina fa 14 no isan’ny sokajin-danja, ahitana lehilahy 9 ary 5 ny vehivavy. Mahakasika ny Federasiona malagasy manokana, tokony nanatanteraka fivoriambe ara-potoana izy ireo omaly 23 febroary, saingy noho ny fisian’ny rivodoza Freddy, dia nanapa-kevitra ny hanemotra izany amin’ny fotoana manaraka ny mpitantana.
Andrasana izany ny tohiny satria betsaka ireo fandaharam-potoana sy hetsika miandry ity federasiona ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny “combat de défi”, izay handraisan’ireo hifantenana handrafitra ny ekipam-pirenena. Eo ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay anisan’ny mandray anjara hatrany isika ary namiratra fa tsy sanatria nitsangantsangana fotsiny tamin’izany.
Mi.Raz