Kitra – OPL : niakatra faharoa ny Ajesaia

Lasa laharana faharoa ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Ajesaia Bongolava. Resiny tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Asa Diana. Lalao notanterahina ny alarobia lasa teo, teny Ambo­hidratrimo. Fifandonana tafiditra amin’ny andro faha-10 amin’ny fifaninanana “Oran­ge Pro League”.
Tsiahivina fa nanokatra ny isa voalohany ny Asa, baolina tafiditr’i Oelinot teo amin’ny minitra fahafito. Nanomboka nanindry ny Ajesaia. Nosa­halain’i Eddie Josia, mpilalaon’ny Ajesaia, ny isa, ny faha-44 minitra. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny fizaram-potoana voalohany. Nanova paikady ny roa tonta teo
amin’ny fizaram-potoana fa­haroa. Nifandanja ny fanafihana, saingy nahatafiditra baolina ho an’ny Ajesaia i Feno, ny faha-80 minitra. Telo minitra taorian’io, nampian’i Feno ny isa, rehefa nanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo ivalozana ny vodilaharan’ny Asa Diana. Lasa 3 no ho 1 ny isa nisarahana.
Mitarika ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Fosa Junior Boeny, manana isa 18; faharoa ny Ajesaia, manana isa 11 ary fahatelo ny Cosfa manana isa 11. Marihina fa resin’ny Ajesaia amin’ny baolina tafiditra ny Cosfa ka izay no nahatonga azy ireo ho eo amin’ny laharana faharoa.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: