Fikaonandoham-pirenena: hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony

Miroso hatrany ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Araka ny fandaharam-potoan’ny FFKM, hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony.

Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara) tamin’ny fampafahantarana ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny Village Voara Andohata­penaka, fantatra fa amin’ity herinandro ity no hanomboka ny dinika eny ifotony. Efa omaly no nanomboka ny eny anivon’ny fokontany ary efa mandeha ihany koa ny fanofanana ireo mpanamora ny adihevitra, ka ny FFKM no midina eny ifotony manatanteraka izany. Efa nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpanofana ka hiparitaka any amin’ny faritany izy ireo hampita izay norantoviny. Hitohy eny amin’ ny kaominina ny dinika, ny 5 oktobra, eny anivon’ny distrika, ny 26 oktobra ary any amin’ny faritra, ny 16 novambra. Tsiahivina fa ny volana marsa 2027 no hanaovana ny dinika nasionaly ary ny volana mey 2027 kosa no hanolorana ny fehin-kevitra.
Lohahevitra 12 izay natao anaty antontan-kevitra 3 lehibe no hodinihina amin’ny fikaonandoham-pirenena, dia ny Andry fototra, ny Fiara­hamonina sy fanjakana ary ny Rafitra sy ny fiantraikany. Natao ho an’ny rehetra ny dinika ka manentana ny olom-pirenena ny FFKM mba handray anjara amin’izany, rehefa tonga eny anivon’ny fokontany ireo mpanentana. Tsy fotoana hisalasalana sy hanginana intsony izao fa mila sahy maneho hevitra am-pitoniana, araka ny fanentanana nataon’ny FFKM hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: