Fivondronamben’ny eveka: “Hampiadilahy politika ny resaka fanabeazana”

“Maniry dia maniry ny hanavaozana ny fampianarana ny Fivondronamben’ny eveka, ary efa tara aza ny fanavaozana ny fampianarana eto Madagasikara. Ny angatahinay ary tokony hahaolon-kendry antsika rehetra dia ny hahay mandingana ny adilahy politika hampiady antsika amin’­ny resaka fanabeazana”. Io ny fanambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny evekan’ny diosezin’i Morondava, tany Morondava, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny Mgr Raha­rilamboniaina Maria Fabien, manoloana ny fanavaozana ny fandaharam-pianarana. “An­dao isika hifampiresaka, hojerena ny dingana rehetra, ary hatomboka amin’ny dingana tsirairay izany mba hahatongavana amin’ny fanabeazana tena izy”, hoy izy.
Ny Malagasy no harena voalohan’i Madagasikara. Ny taranaka no harena sarobidy indrindra ho an’ny Malagasy. Tsy azo atao tsinontsinona ny fanabeazana ny zanaka. Tsy enta-mavesatra ny zanatsika, fa hery lehibe hampaharitra an’i Madagasikara. Koa mila fitandremana mafy ny fanabeazana, satria ao ny hoavin’ ny firenena sy ny fiangonana. Tsy izao ny lamaody dia atao… Fa manana olon-kendry isika. Ny zanatsika no harentsika, ary tsy enta-mavesatra izy fa manainga an’i Madagasikara, indrindra ny any ambanivohitra.
“Ny Fivondronamben’ny eveka, miaraka amin’ny vaomieran’ny fanabeazana dia manazava fa irinay ny hisian’ny fanavaozana amin’ny fampianarana eto Madagasikara”, hoy ihany izy. Ny tsy mampitovy hevitra an-dry zareo amin’ny tomponandraikitra: aza atao maimaika, jereo tsara ny ao anatin’ny programa sy ny dingana rehetra fanofanana an’ireo mpampianatra manerana an‘i Madagasikara, hampihatra izany fanavaozana ny fanabeazana eto Madaga­sikara izany.

R. Nd.

Partager sur: