Manahirana, manalasala

Manahirana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbetika namako, mbetika fahavaloko. Ny tena zava-doza, maty fanahy ilay Malagasy manao politika.
Simba amin’ny kajikajy maloto ilay soatoavina sy fomba fanaovana politika. Na ny mpinamana mihinana ny manta sy ny masaka aza tena mifamorika rehefa tena ilaina ny misara-dalana. Mandefona ivoho izany efa tsy olana mihitsy. Izay ahavelona ahy ihany no izy.
Hilaza hoe ratanalahy, manahirana. Kanefa efa lany henatra avokoa ry zalahy amin’ny fivadibadihana. Baikoan’ny fitiavan-tseza sy voninahitra fotsiny. Hany ka ny fanahy no havidy amin’izay hita fa mora mijoboka. Ny indrokely anefa, ny olona koa tsy adala ka hijabaka amin’ny varoboba sy fanomezana misy poizina. Hohaniny izay azony hohanina, vidiany izay azo vidiana fa rehefa hahafaty antoka, tsy hitondra tombony, tsy maintsy voatsipaka am-bavafo.
Ny Malagasy rahateo manampahaizana tokoa amin’ilay mitsipa-doha. Mora mivadika dia avy eo miverina amin’ny nalohany. Tsy misy fametrahana fanontaniana fa avy hatrany dia manaraka ambokony izay lazaina azy. Bakoin’ny vola sy fahefana hany ka mivaralila. Mitady fomba isaky ny hirika mipoitra hitangosana tombony. Tsy misy hoe hanohana an-dranona na ranona, na inona firehan-kevitra fa lasa fotsiny amin’izao. Miara-mirona ho amin’ny tombony manokana.
Mahamenatra sy mampisaina, saingy efa izay no fomba amam-panao. Mivadika ho mety ny tsy nety hatrizay. Hany ka ny tolona izay hatao, mivadika ho fifampindiasan-toerana fotsiny fa ny mpiantsehatra ny teo ihany no teo. Atao hoe manahirana tsy manahirana. Manalasala saingy efa io aloha no misy.

r.r

Partager sur: