Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ireo fanatsarana hatao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana izany.
“Hisokatra amin’ny volana janoary 2027 ny fisoratana anarana ary hihatra amin’ny fanadinana bakalorea 2027 ny sokajy L, S ary OSE”, hoy ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambaratonga ambony, Pr Raherinirina Angelo, izay nitondra fanazavana momba ny bakalorea sy ireo fepetra fanohanana homanina.
Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ireo tomponandraikitra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ireo teknisianina maro misehatra amin’ny fanabeazana, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa hisy paikady mahakasika ny famolavolana laza adina hijerena manokana ireo mpianatra nandalo kilasy taona voalohany tao anatin’ireo sokajy
A-C-D ka hanala ny fanadinana L-S-OSE. Anisan’ny fepetra noresahina ihany koa ny fandraisana anjaran’ny sekoly tsy miankina amin’ny famolavolana laza adina. Hohamafisina ny fanofanana ireo mpampiofana hampitoviana ny fomba fiasa sy ny fomba fampianarana ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpampianatra, ny oniversite ary ireo ivontoeram-pampiofanana, araka ny filan’ny fandaharam-pianarana.
Ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny eveka misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana katolika eto Madagasikara, mompera Jules Ranaivoson, nanambara fa “tokony hozaraina amin’ny sekoly tsy miankina ny modules de formation ho an’ny mpampianatra ao anatin’ny fanovana ny rafi-panabeazana, satria tsy ho araky ny fanjakana ny hanofana ny mpampianatra manerana ny Nosy. Tokony ho ny androatokon’ny mpampianatra no niofana vao miditra amin’ny fanovana rafitra ny minisitera”.
Vonjy




