Fondation Axian-Morombe : Notokanana ny sekoly faha-250

Tamin’ity herinandro ity, nitokana ny sekoly faha-250 naoriny ny Fondation Axian, tao amin’ny EPP Ambahikily, ao Morombe. Fiaraha-miasa amin’ny United World School (UWS) no nahavitana ny efitrano fianarana telo ho an’ny ambaratonga fototra sy efi­trano telo ho an’ny garabola. Misy trano fidiovana, toerana fanasan-tanana ary kianja filalaovana koa ao. Trano telo efa nisy tao amin’ny sekoly ihany koa no nohavaozina.
Mandray mpianatra hatramin’ny 1 500 ny EPP Amba­hikily amin’izao taom-piana­rana vaovao izao, ao anatin’ ny tontolo azo antoka kokoa, ampy fitaovana ary mifana­raka kokoa amin’ny filan’izy ireo. 27 ireo mpampianatra mampihodina ny sekoly.
Niara-niasa an-taona maro tamin’ny UWS ny Fondation Axian, izay mpiara-miombon’ antoka maharitra ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Efa manodidina ny 30 ireo sekoly niaraha-naorina.
Tamin’izany koa no nanokafan’ny UWS ivontoerana fanamafisana ny fahaiza-manao arakasa ho an’ny mpampianatra ao amin’ny Faritra. Solosaina nomen’ny Yas Madagascar no ampi­asaina ao, ho fanohanana ny fanofanana sy fampivoarana ny fahaizan’ireo mpampia­natra.
Nametrahana ny vato fototry ny kianja multisport koa ao amin’ny EPP Ambahikily. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “M’Hetsika MVola”, izay manamafy fa tsy voafetra ao an-dakilasy irery ny fanabeazana, fa ilaina ny fanatanjahantena, ny fialamboly ary ny fampivelarana ny ankizy.

Tatiana A

Partager sur: