INDRAY MIJERY

Mpianatra miisa 550 ao amin’ny EPP Anko­rondrano no nisitraka fitaovam-pianarana avy amin’ny Fondation Viseo, tamin’ity herinandro ity. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo ankizy momba ny aro loza amin’ny fifamoivoizana, fampahafantarana azy ireo
ny tokony hatao sy ny fitandremana rehefa eny an-dalambe.

Natomboka ny talata teo, teny Anosy, ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny fahiziana (iden­tité). Lohahevitra novoizina ny hoe: “Ny fahiziako, aloka tsy mahasaraka ahy”. Nisy ny fihaonambe avo lenta
sy ny fifampizarana ary ny fifanakalozana mahakasika ny fitantanana ny sora-piankohonana eto amin’ny firenena, nandritra ny fanamarihana.

Natao tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay ny paikady fahasalamana manatona vahoaka, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-
bahoaka. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra, nahitana fizahana sy fitsaboana maso, fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, dia­beta, VIH. Teo koa ny vaksiny miaro amin’ny Mpox…

Partager sur: