FANTINA sy FINTINA

Olan’ny mpitondra teo aloha ny tsy fihainoana ny fitarainan’ny vahoaka ka nitarika ny fihonganany tamin’ny taon-dasa, araka ny nambaran’ny mpitarika ny « Tsy manaiky lembenana », Raharinirina Clémence, omaly. Nomarihiny fa mandray andraikitra avy hatrany ireo tomponandraikitra rehefa misy ny olana miseho.
Nahemotra amin’ny 13 oktobra, raha saika natao ny talata teo, ny fitsarana ny ben’ny Tanànan’ Andrano­me­va, any Mahajanga, Mevarisika Dani. Tsy tonga nanatrika izany izy. Tsiahivina fa namoaka didy ny Pac any an-toerana nanasazy fa tsy mahazo manao asam-panjakana mandritra ny dimy taona ary mandoa onitra ity ben’ny Tanàna ity.
Voasaringotra amin’ilay volamena 6 kg sarona teny Ivato ny mpiasan’ny ladoany iray, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa, omaly. Nambarany koa fa orinasa avy any Dubaï, Parpia gold, no tompon’io volamena io. Miisa fito ireo voarohirohy amin’izany ankoatra ilay vehivavy nikasa ny hitondra izany hiondrana.
Efa misy ny fiovana taorian’ny hetsika tamin’ny herintaona, araka ny nambaran’ny Transparency International -IM. «Tsy mbola feno anefa izany. Mampanahy ny fahafahana maneho hevitra. Sarotra ny manarina ao anatin’ny herintaona ny simba tamin’ny fitondrana teo aloha. Mbola io ny olana. Manjavozavo ny tanjona», hoy izy ireo.

Partager sur: