Fisintahana amin’ny hetsika 25 septambra : Handeha manokana ny Gen Ankatso sy Vontovorona

Nisintaka, niala eo anivon’ny komity mikarakara ny fanamarihana ny 25 septambra ireo mpianatra eny Ankatso sy Vontovorona. «Manahy izahay fa sao hatao fitaovana hakana vola sy hitaomana olona fotsiny amin’io hetsika io. Manana porofo amin’izany ahiahinay izany izahay mpianatra», hoy izy ireo, omaly, teny Ankatso. Na izany aza, hanao hetsika manokana izy ireo ho faha­tsiarovana ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025.
Efa hanomboka anio avy hatrany izany hetsika fahatsiarovana izany ka hotanterahina etsy Mahamasina. Ho eo ambany fiahian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny hetsika. Hialohavan’ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana izany. Hitohy amin’ny lahateny samihafa ary fanehoana an-tsary ireo hetsika tamin’ny taona lasa. Hofaranana amin’ny rindran-kira ara-pilazantsara. Hotohizana amin’ny 25 septambra ny hetsika faha­tsiarovana, amin’ny alalan’ny diabe hiainga eny Antanimba­rinandriana, hihazo ny Kian­jan’ny 13 mey avy eo.
Hisy ny fitokanana takelaka fahatsiarovana ny tolona amin’io 25 septambra 2026 io. Mbola hitohy amin’ireo hetsika samihafa hatramin’ny 4 oktobra 2026 izany. Eo ny famelabelaran-kevitra arahina adihevitra momba ny fanovana sy ny fanavaozana hapetraka eto amin’ny firenena. Hisy koa ny lalao ara-panatanjahantena samihafa, araka ny nambaran’ny komity mpanomana izao fanamarihana sy fahatsiarovana ny faha-herintaon’ny 25 septambra izao.

Synèse R.

Partager sur: