Mamokatra “logiciel” ary mametraka izany amin’ny orinasa miaraka amin’ny fiofanana hahatonga azy ireo hahomby amin’ny sehatrasany no antom-pisian’ny Softwell, nanomboka ny taona 2001.
Orinasa malagasy manampy ny orinasa hafa sy sehatra na rafitra amin’ny fampiasana rindrambaiko sy solosaina hirosoana amin’ny tontolo niomerika ny orinasa Softwell. Manamarika ny 25 taona nivoarany tao anatin’ny sehatry ny niomerika ny mpitantana ka tafiditra amin’izany ny softevent teny Ivandry, omaly. Hetsika nanasana ireo orinasa, mpiandraikitra tetikasa sy ny minisitera ary ireo rehetra liana hiditra anatin’ny tontolo niomerika (digitalisation).
«Sehatra maromaro navondrona amin’ny vokatra sy tolotra anatin’ny tranoheva 10 no natolotra ny mpitsidika, omaly, nandritra ny tontolo andro. Nisy koa ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana ary fizarana vahaolana niomerika (archivage, fandoavana vola elektronika, fanaraha-maso ny fitantanam-bolan’ ny orinasa …) miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka maro toy ny Sage », hoy ny mpanorina sy mpitantana ny softwell, Andriamanantsoa Mbolatiana. Nampahafantarina, omaly, koa ny logiciel vaovao noforonin’ny Softwell ho an’ny orinasa madinika. Namokatra “application” ho an’ny sokajina orinasa madinika izy ireo ahafahany mitantana ny orinasany.
Natokana ho an’ny daholobe ny tolotra omaly, indrindra ny tanora, ahafahany milomano ao anatin’ny tontolo niomerika. Nanome tolotrasa 13 ho an’ny tanora ny orinasa nandritra ny hetsika ka nandray olona 25 mahafehy ny fitantanana, varotra…. Kinga ny tanora malagasy fa tsy ampy ny fototra sy ny traikefa ary ny fahaizana teknolojika ka mbola mila fiofanana, araka ny fanazavana.
120 ny mpiasan’ny orinasa ofaniny eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao. Manofana hatrany ivelany koa izy ireo satria miara-miasa amin’ny ivontoeram-panofanana iraisam-pirenena.
Vonjy




