Fandaharanasa Nova: Tanora 25 hisitraka vatsim-pianarana

Manolotra vatsim-pianarana ho an’ny ankizy 25 manana fahavononana sy voafantina hianatra ao amin’ny Arovy university mandritra ny 3 taona, ny Institut médical de Mada­gascar (IMM).
Misokatra ho an’ny tanora manana bakalorea na mihoatra izany ny tolotra, raha ny fanazavan’ny rektoran’ny Aro­vy university, Ralijohn Niriana Emma. Hiatrika fiofanana mandritra ny 2 herinandro izy ireo hamantarana ny fahavononany sy ny mety ho fitozoany amin’ny fianarana omena mandritra ny 3 taona.
Amin’ny alalan’io fiofanana omena mandritra ny 2 herinandro io no hifantenana ny mendrika ka hisitraka ny vatsim-pianarana ao anatin’ity fandaharanasa “Nova” ity.
Fiofanana manomana teknisianina matihanina. Izany hoe, mahay mampifandray ny teknolojia amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana no hatolotra.
Hifehy ireo kojakoja ampi­asaina rehetra mamoaka sary ara-pitsaboana, izay manampy amin’ny fanaovana fitiliana ho azo antoka sy manaja ny maha olona ary haingana kokoa ireo mpianatra voafantina ao amin’ny Arovy university.
Hiasa avy hatrany ao amin’ny IMM, hikirakira ireo fitaovana avo lenta amin’ny fitarafana ny karazana taova sy ny vatan’ny olona marary mila izany izy ireo rehefa mahavita fianarana. Anisan’izany ny radiographie, scanner, IRM, médecin nucléaire, explorations fonctionnelles ary ny radiothérapie.

Tatiana A

Partager sur: