Nifandona ny fiara 4×4 sy taxi-borosy iray teny amin’ny Lalam-pirenena fahenina, afakomaly alina. Vokany, valo namoy ny ainy, 18 naratra. Fiara namboarina, nangalarin’ny mpanamboatra nentina ny iray, hoy ny mpitandro filaminana.
Nandriaka ny ra, teny amin’ny lalam-pirenena fahenina, noho ny lozam-pifampivoizana nitranga, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora . Niseho teo amin’ny fokontany Antsoha, kaominina ambanivohitra Ambilobe, teo amin’ny lala-mahitsy ny loza. Raha ny fazanavana voaray avy amin’ny lehiben’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambilobe, nisongona tracteur iray teo alohany ny 4×4 iray izay nandeha mafy. Nifandona tamin’ny fiara Sprinter nitatitra olona avy Sambava ho aty Antananarivo izy.
Vokany, maty teo no ho eo ny olona miisa enina tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Anisan’izany, ny mpamily. Ankoatra izay, namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy ny mpamily sy ny mpanampy mpamilin’ilay fiara sprinter, rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Lehilahy ny dimy tamin’ny maty, vehivavy ny telo araka ny tatitra voaray hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly. Tafakatra 18 ny isan’ny olona naratra mafy. Samy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly avokoa izy ireo. Tsy maintsy nafindra any amin’ny hopitalin’ny Diego, ny roa tamin’ny naratra mafy mba hanavotana ny ain’izy ireo.
Nangalatra nitondra
Tsy tompona fiara no nitondra ilay fiara 4×4 tamin’ny fotoan’ny loza. Voalaza fa lehilahy mpanamboatra fiara. Nijanona namboarina tany Ambilobe, tao aminy ilay fiara no nentiny ka tra-doza, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary hatrany. Nitondrany ny fianakaviany handeha hanao fety izany. Tsy niera tamin’ny tompon’ny fiara izy.
Nilaza ny mpitandro filaminana azo an-telefaonina fa hadisoan’ilay mpamilin’ny 4×4 no nahatonga ny loza. Tsy nisy hidiran’ilay tracteur nosonganany, raha ny fanazavana hatrany. Nandeha mora sy nilamina ity farany.
Taorian’ny loza, efa nandray andraikitra tamin’ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana ny marary rehetra ny tomponandraikitra any an-toerana. Anisan’izany, ny lehiben’ny disitrikan’Ambilobe.
Mino




