Miara-mirona

 

Hankalazaina rahampitso ny tsingerin-taona voalohan’ny tolona nandrodanana ny filohan’ny Repoblika teo aloha Rajoelina Andry. Hisy ny fotoam-pankalazana manetriketrika manerana ny renivohitry ny faritra, ankoatra ny eto an-dRenivohitra. Hanao rodobe eny Ambohidahy ny avy amin’ny Fitondrana. Hiolomay hamonjy tanindrazana ny delegasionina mamita iraka any Etazonia. Hiara-mirona avokoa ny fikambanana sy vondrona manohana ny Fanavaozana eto an-tanàna.
Hita taratra ny angaredona sy ny fiaraha-mientan’ny mpitondra. Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany. Nafonja ny delegasionina nandeha any Zamerika. Nahitana minisitra maromaro miaraka amin’ny ekipa isan-tsokajiny. Zava-dehibe tokoa ny dinika atao any mahakasika ny toeran’i Madagasikara, ka andrasana ny vokatra. Anisan’ny tena mahavelombolo ny resaka nosy madinika na “Eparses”. Manginy fotsiny ny tolo-tanana ho an’ny fifidianana.
Andrasana ny voan-dalana, eo koa ny herintaona hoavy, taorian’ny fametrahana ny rafitra fanavaozana. Efa mandeha tsikelikely ny ezaka. Misy ny azo tsapain-tanana. Maro koa anefa ny mbola mitaky finiavana misimisy kokoa. Mila vahaolana “ mahagaga” mihitsy. Tsy ampy ny fientanentanam-po sy ny filazana an’izatsy na izaroa. Tokony hanaiky ny rehetra fa misy ny tsy azo hanoharana. Na milofo tahaka ny inona aza hivoaka ilay tonelina, misy ny sakana tsy voadingana.
Tsy vanim-potoana ifanomezan-tsiny sy ifanakianana be fahatany izao fa mila ny fifanohanana sy ny fahafahana mitondra ny anjara biriky. Mila miara-mirona Ramalagasy, fa tsy afaka ny hiolonolona fahatany. Tsy mitondra mankaiza ny fizarazarana sy ny fitondrana ny lohany. Mila madio am-po na ny naongana na ny nanongana. Madagasikara iraisana ity, ilaina ny fifanohanana sy ny fifamelana. Tsy misy mahavita tena irery.

r.r

Partager sur: